Aller au contenu

Wikipedia:Takelaka/4 2022

Avy amin'i Wikipedia
Ny Augustana Lutheran Church ao Washington, Distrikan'i Colombia, dia fiangonan'ny "Fampihavanana ao amin'i Kristy" ("Reconciling in Christ"), izany hoe mandray ny olona tsy an-kanavaka, tsy ijerena ny safidy momba ny fananahan'izay hatao olon-tiana, na lahy na vavy.

Ny Fiangonana Loterana Evanjelika ao Amerika na Fiangonana Loterana ara-Pilazantsara ao Amerika dia fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia, teraka tamin' ny 01 Janoary 1988 vokatry ny fitambaran' ny antokom-piangonana loterana telo, ka ahitana mpino vita batisa miisa 3 400 000 tamin' ny taona 2017, tao amin' ny fiangonana isan-toerana (kongregasiona) miisa 9 091. Atao hoe Evangelical Lutheran Church in America (ELCA) izy amin' ny teny anglisy. Manana ny foibeny ao Chicago Illinois any Etazonia io fiangonana io. Tamin' ny taona 2015 dia nilaza ny Pew Research Center fa ny 1,4 % ny mponin' i Etazonia dia mpinon' ny ELCA. Izy no fiangonana lehibe fahafito raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina sady fiangonana loterana lehibe indrindra ao Etazonia izy. Ny 97 %n' ny mpivavaka ao dia fotsy hoditra.

Ny fiangonana loterana manarakaraka azy ao Amerika dia Fiangonana Loterana – Sinodan'i Missouri na Lutheran Church–Missouri Synod (LCMS), izay misy mpino 2 000 000 eo ho eo, sy ny Sinoda Loterana Evanjelika ao Winsconsin na Wisconsin Evangelical Lutheran Synod (WELS), izay manana mpino 360 000 eo ho eo. Maro koa ireo fiangonana loterana madinika ao Etazonia ka ny sasany aminy dia ireo tsy nankasitraka ny firaisan' ny fiangonana telo notanterahina tamin' ny taona 1988. Ny ELCA no azo lazaina fa fiangonana mihataka indrindra amin' ny fomban' ny loteranisma nifandovana hatramin' izay, raha mitaha amin' ireo fiangonana loterana lehibe roa hafa ao Etazonia, dia ny LCMS sy ny WELS.

Ny ELCA dia mikambana ao amin’ ny Filankevitra Ekiomenikan' ny Fiangonana (anglisy: World Council of Churches; frantsay: Conseil œcuménique de Eglises), amin' ny Filankevitra Nsionalin' ny Fiangonan' i Kristy ao Etazonia (anglisy: National Council of Churches of Christ in the USA) ary amin' ny Fiangonana Loterana Eran-Tany (anglisy: Lutheran World Federation; frantsay: Fédération Luthérienne Mondiale). Ny ELCA dia mifandray sy miara-miasa tanteraka amin' ny Fiangonana episkôpaly (Episcopal Church), ny Fiangonana moraviana (Moravian Church), ny Fiangonana presbiteriana - Etazonia (Presbyterian Church (USA)), ny Fiangonana nohavaozina ao Amerika (Reformed Church in America), ny Fiangonan' i Kristy miray (United Church of Christ), ary ny Fiangonana metôdista miray (United Methodist Church). (tohiny...)