Wikipedia:Takelaka/3 2020

Avy amin'i Wikipedia
Sarin'i Manỳ

Ny manikeisma dia fivavahana naorin'ilay Persiana atao hoe Manỳ tamin'ny taonjato faha-3. Izany fivavahana izany dia fifangaroan'ny zoroastrisma sy ny bodisma ary ny kristianisma. Ankehitriny dia atao hoe manikeisma ny fiheverana na ny fihetsika manatsotra zavatra izay mamaritra sy manasaraka sy ny Tsara sy ny Ratsy. Nandray zavatra be dia be tamin'ny gnostisisma ny manikeisma. Ny ivon'ny fampianaran'ny manikeisma dia ny fizarany izao rehetra izao ho roa (doalisma), ahitana ny fanjakan'ny Tsara (atao hoe fanjakan'ny Fahazavana) izay anjakan'Andriamanitra, sy ny fanjakan'ny Ratsy (na fanjakan'ny Haizina) izay anjakan'i Satana.

Avy amin'ny fianakaviana persiana ambony tany Babilona i Manỳ. Olona tia vavaka ny rainy ka nitaiza azy tamin'ny fivavahana izay tokony ho ny fivavahan'ny Elkasaita. Tamin'ny faha-12 sy faha-24 taonany dia nahita fahitana i Many izay nisehoan'ny anjely taminy nanendry azy ho mpaminanin'ny fivavahana vaovao sy nahazoany fanambaràna lehibe. Nandritra ny diany voalohany tany India no nahalalany ny bodisma. Narovan'ny mpanjaka Shapor I izay nanjaka teo anelanelan'ny taona 214 sy 272 izy ka nitory teny eran'i Persia sady nandefa misionera eran'ny Empira romana. Nanambara ny tenany ho mpaminany farany ao aorian'i Zaratostra sy i Bodà ary i Jesoa i Manỳ. Mampianatra izy fa misy ampaham-panambaràna izay tanteraka ao amin'ny famppianarany. Niteraka ny tsy fitiavan'ny Zoroastriana izany fielezan'ny manikeisma haingana izany ka rehefa tafakatra teo amin'ny fitondrana an'i Persia i Bahram tamin'ny taona 273 dia niampanga an'i Many ho mpanao fampianaran-diso izy ireo ka nandresy lahatra ny mpanjaka hanagadra azy.

Amin'ny teny persiana sy siriaka dia atao hoe Māni, amin'ny teny grika Μάνης / Manês, ary amin'ny teny latina 'Manes.' (tohiny...)