Volta (ony)

Avy amin'i Wikipedia
Ny ony Volta, eo amin' ny tetezan' i Adome
Ny ony Volta sy i Volta Noire (na Mouhoun) sy i Volta Blanche (na Nakambé) ary i Volta Rouge (na Nazinon).

I Volta dia ony any Ganà izay foronin' ny fihaonan' i Volta Noire (na Mouhoun) sy i Volta Blanche (na Nakambé) ary i Volta Rouge (na Nazinon). Mikoriana mianatsimo izy ary miampita ny farihy Volta, ao Ganà, avy eo mitambatra  amin' ny ony Ada eo amin' ny Hoalan' i Ginea. Na i Volta Noire sy i Volta Blanche dia samy manana ny loharanony ao Borkina Fasô (firenena fantatra taloha tamin’ny anarana hoe Haute-Volta).

Ny anarany, izay midika hoe "fihodinana" amin' ny teny pôrtogey, dia nomen' ilay Pôrtogey mpandeha an-tsambo azy, noho ny lalany miolikolika. Mihaona tao Yeji ireo renirano roa ambony ireo, Yeji izay toerana rakotry ny farihy Volta ankehitriny. Ny halavany manontolo, anisan' izany i Volta Noire, dia 1 450 km eo ho eo. I Oti sy i Afram no sakeli-dranony lehibe. Mahatratra 400 000 km2 ny faritanin-dranon' ilay ony sy ny sakeli-dranony ary 1 200 m3/s ny salan-kabetsahan-dranony eo am-pivarinany any an-dranomasina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]