Volta (farihy)
Apparence
I Volta dia farihy voatr’ olombelona ao afovoan' i Ganà, vokatry ny fananganana ny tohodranon' i Akosombo eo amin' ny ony Volta, atsimon' i Ajena. Mihoatra ny 400 km ny halavany, 35 km eo ho eo ny sakany lehibe indrindra ary mahatratra 8 500 km2 eo ny fari-dranony; ny renirano Volta Noire (na Mouhoun) sy Volta Blanche (na Nakambé) ary Volta Rouge (na Nazinon) dia mampifanojo ny ranony ao.
Azo andehanana sambo ilay farihy; izy no mampifandray ny afovoan' i Ganà sy ny morontsiraky ny Hoalan' i Ginea. Miantoka ny famatsiana jiro sy rano ary ny fitarihan-drano ny ampahany be amin'ny faritra atsimo-atsinanana any Ganà. Manorim-ponenana eo amin' ny morony ny mpankono.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Ony Volta
- Volta Noire (na Mouhoun)
- Volta Blanche (na Nakambé)
- Volta Rouge (na Nazinon)