Hankany amin'ny vontoatiny

Vavam-pivaviana

Avy amin'i Wikipedia
Vavam-pivavian-tsoavaly

Ny vavam-pivaviana, ao amin' ny biby mampinono, dia ny ampahany miseho ivelany amin' ny taovam-pananahana vavy.

Vavam-pivavian' ny vehivavy

[hanova | hanova ny fango]
Vavam-pivavian' ny vehivavy

Ny vavam-pivavian' ny vehivavy dia ny ampahany miseho ivelany amin' ny taovam-pananahan' ny vehivavy. Fitambaran' ireto tanisaina manaraka ireto izany: ny tampom-pivaviana, ny molotra lehibe, ny molotra kely, ny kitso, ny lavak' amany, lava-pivaviana, ny sarom-pivaviana, ny fiharin' i Bartholin ary ny fiharin' i Skene. Ny vavam-pivaviana dia ahitana ny lanlanjaza, izay mizotra mankany amin' ny tranonjaza, ary manome fiarovana roa sosona amin' ity amin' ny alalan' ny fiforitry ny molotra ivelany sy anatiny. Manohana ny firafitry ny vavam-pivaviana ny hozatra anelanelam-pe.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]