Tsipi-panohizana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tsipi-panohizana, izay mananan endrika hoe -, dia tsipika kely marin-drano hita matetika manelanelana voanteny roa sady tsy misy elanelana amin'ireo teny akambany ireo (toy ny hita amin'ny andian-teny hoe fatra-pitady, izay fanakambanana ny teny hoe fatratra sy fitady, na ny hoe tsipi-panohizana, izay fanakambanana ny teny hoe tsipika sy fanohizana). Misaraka amin'ny teny faharoa ny tsipi-panohizana raha miova andalana ny soratra noho ny tsy fahampian'ny velarana azo anoratana any amin'ny ilany ankavanana. Manana ny fepetra fampiasana azy ny tsipi-panohizana arakaraka ny fitsipika ifanarahana hanoratana ny fiteny tsirairay.