Tsapiky
Ny tsapiky dia mozika sy dihy malagasy avy any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara. izay manana gadona haingana kokoa noho ny mozika malagasy hafa rehetra.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Teraka tamin' ny taompolo 1970 tao amin' ny faritr' i Toliara ny tsapiky. Nifamatotra amin' ny fombafomba fanao nentim-paharazana ny tsapiky tany am-boalohany. Taty amin' ny taompolo 1980 izy no nampiditra ny gitara elektrika. Nanomboka nalaza eran' ny Nosy ny tsapiky tamin' ny tapaky ny taompolo 1990. Tany amin' ny taona 2000 vao nahazo laza iraisam-pirenena io gadona io.
Avy amin' ny mozika nentim-paharazana any amin' ny faritr' i Toliara sy amin' ny mozikan' i Afrika Atsimo-Atsinanana ny tsapiky (avy ao Môzambika sy Tanzania ary indrindra i Afrika Atsimo). Vao haingana no nampifanarahana azy amin' ny zavamaneno môderina toy ny gitara elektrika sy gitara beso ary ny amponga maro anaka.
Toetoetrany
[hanova | hanova ny fango]Haingana kokoa noho ny gadona malagasy hafa ny tsapiky izay manasongadina fomba fitendry gitara avy amin' ny fomba fitendrena marovany (zavamaneno toy ny valiha). Tsapa koa anefa ny fiantraikan' ny mozikan' i Afrika Atsimo izay mampiasa gitara roa sy ny hira matetika ataon' ny vehivavy.
Tsy mifidy toerana na fotoana hanaovana azy ny tsapiky: na any ambanivohitra, na eny an-tanàn-dehibe, na ankalamanjana na anaty faritra mifefy. Atao amin' ny fotoana manetriketrika rehetra ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Madagasikara ny tsapiky, na amin' ny lanonana tsotra izany na amin' ny fandevenana. Maharitra ora maromaro na andro vitsivitsy ny lanonana misy tsapiky.
Manaraka rafitra misy fizarana telo ny tsapiky: ny kitariky (fampidirana arahin' ny hira) sy ny kilatsaky (fanafainganana ny gadona izay manasa ny mpanatrika handihy) ary ny kifolaky (fanajanonana tampola ny gadona alohan' ny hanohiana azy mba hamelona indray ny vaikan' ilay mozika).