Gitara

Avy amin'i Wikipedia
Gitara klasika
Gitara mandeha amin' ny aratra
Gitara beso

Ny gitara dia zavamaneno misy vatany sy tahony izay ampanenoina amin' ny alalan' ny fitsongoana ny tadiny manandrify ny vatany, sy fanindriana miovaova toerana amin' ny rantsan-tanana ireo tadiny ireo mizotra manaraka ny tahony, mba hampiovaova haavo ny feony. Miisa enina ny tadin' ny girata be mpampiasa indrindra ka raha tsy tsindriana ireo tadiny ireo dia manome ireto feo ireto avy amin' ny iva feo indrindra (be savaivo indrindra) mankany amin' ny avo feo (sady kely savaivo indrindra): mi, la, re, sol, si, mi (na E, A, D, G, B, E). Ny tadiny avo feo telo voalohany dia vita amin' ny Nylon fa ny telo sisa dia vita amin' ny metaly. Misy anefa gitara be feo (gitara beso) izay manana tadiny miisa efatra fotsiny (mi, la, re, sol na E, A, D, G). Mety mahatratra 12 na 24 na mihoatra anefa ny gitara sasany.