Hankany amin'ny vontoatiny

Valiha

Avy amin'i Wikipedia
Mpitendry valiha ao Ambohimahasoa

Ny valiha dia zavamaneno malagasy vita amin' ny volotsangana, miendrika varingarina sady misy tadiny maro manaraka ny andavany. Ny tadin' ny valiha rehetra dia misy tohany izay ahafahana mahazo feo avo sy iva. Miisa folo eo ho eo ny tadim-baliha tany am-boalohany, fa taty aoriana dia mahatratra efapolo na mihoatra aza izany isa izany.

Zavamaneno hafa atao hoe "valiha"

[hanova | hanova ny fango]
Mpilalao valiha avy ao Filipina tamin' ny taona 1901 sy avy eto Madagasikara tamin' ny taona 1930.

Betsaka ny zavamaneno malagasy mitondra anarana hoe valiha izay samy manana ny fomba fanamboarana sy fampiasana azy ireo ka ao ny valiha bara, ny valiha tsimihety, ny valiha tory tenany, ny valiha jihy vy, ny valiha marovany (na valiha vata), valiha vero.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]