Tsangan-kevitra 95n'i Lotera
Ny tsangan-kevitra 95n'i Lotera dia fitambaram-pehezankevitra nosoratan'i Martin Lotera mba hitsikerany ny fivarotana indolzansy nataon'ny Fiangonana katolika romana izay nomen'ny Papa Leo X mba hamatsiam-bola ny fanamboarana ny bazilika Masindahy Piera ao Roma. Ilay pretra dominikana alemàna Johann Tetzel no lohany tamin'izany fivarotana izany.
Ny lohatenin'io petra-kevitra io amin'ny teny latina dia Disputatio pro declaratione virtutis indulgentiarum.
Araka ny tantara dia izany lahatsoratra izany no niteraka ny Reformasiona na Fanavaozam-pivavahana protestanta tao Alemaina. Izany tahirin-kevitra izany dia napetak'i Lotera teo amin'ny varavaran'ny fiangonana Schlosskirche ("fiangonan'ny Olo-Masina") ao Wittemberg (atao hoe Sachsen-Anhalt ankehitriny) tamin'ny 31 Oktobra 1517. Iray andro alohan'ny fetin'ny Olo-Masina izany. Tamin'io 31 Oktobra io dia maro ny olona tonga hitsaoka ny sisan-javatra avy amin'ny maty (relika) mba hampihena ny fotoana hiaretana ao amin'ny afo fandiovana.
Raha tsy iadian-kevitra intsony ny fahamarinan'ny filazana fa i Lotera no nanoratra ilay lahatsoratra, ny mbola mampiady hevitra ny mpahay tantara raha tena nitrangna marina izany zavatra izany.