Tombokasen' ny mpaminany

Avy amin'i Wikipedia
Ny anaran' i Mohamady

Ny hoe "Tombo-kasen' ny Mpaminany", dia anaram-boninahitra ampiasaina ao amin' ny Kor'any sy ny Mozilmana mba hanondroana ny mpaminany silamo Mohamady amin' ny maha farany azy amin' ny mpaminany rehetra nirahin' Andriamanitra. Atao amin' ny teny arabo hoe خاتم النبيين / khātam an-nabīyīn na khātim an-nabīyīn; na خاتم الأنبياء / khātam al-anbiyā’ na khātim al-anbiyā izany. Io anaram-boninahitra io dia ampiharina amin' i Mohamady ao amin' ny andininy 33:40 ao amin' ny Kor'any hoe:

I Mohamad dia tsy rain' ny lehilahinareo na iray aza, fa irak' i Allah sady Tombokasen' ny Mpaminany: ary i Allah no mahalala ny zava-drehetra. —  Kor'any 33:40