Teôlôjian' ny fanoloana

Avy amin'i Wikipedia

Ny teôlôjian' ny fanoloana na sopersesiônisma dia foto-pampianarana kristiana izay milaza fa nosoloana ny kristianisma ny jodaisma araka ny fikasan' Andriamanitra. Amin' io fomba fijery io, ny vahoakan' i Israely izay nofidin' Andriamanitra taloha dia nitsahatra tsy ho vahoaka voafidy intsony ary voaozona satria nanda sy namono an' i Jesoa Kristy izay Mpamonjy. Ny fanomezam-pahasoavana sy ny fampanantenan' Andriamanitra ho an' i "Israely taloha" dia nafindra tany amin' ny Fiangonana kristiana, izay lasa "Israely vaovao", dia "vahoaka vaovaon' Andriamanitra". Noho izny dia tsy tena manana ny lanjany ny jodaisma, manoloana ny kristianisma, izay manao azy ho tandindona tsy lavorary sy vavolombelona efa lany andro.

Io teôlôjian' ny fanoloana io no anton' ny fanenjehana nandritra ny roa arivo taona latsaka kely izay nampiharin' ny Fiangonana kristiana amin' ny Jiosy tamin' ny fiampangana azy ireo ho namono andriamanitra.

Ity foto-kevitra ity dia misy manohana azy avy ao amin' ny andalan-tsoratra maromaro ao amin' ny Testamenta Vaovao, amin' ny fomba maro azo ampiharana fandikan-kevitra isan-karazany, toy ny an' ny Rain' ny Fiangonana, indrindra fa i Aogostino. Io foto-kevitra io no namaritra ny fifandraisan' ny jodaisma sy ny kristianisma nandritra ny taonjato roapolo teo ho eo.

Io fiheverana io dia mifanohitra amin' ny teôlôjian' ny fanekem-pihavanana roa sosona, izay manamafy fa tsy mbola tapaka mihitsy ny fanekem-pihavanan' Andriamanitra tamin' i Israely.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]