Taontaonkafa
Ny taontaonkafa na taotaonkafa na kankafotra dia vorona madinika, ao amin' ny fianakaviana Cuculidae. Ny anarany siantifika dia Cuculus rochii. Amin' ny teny frantsay izy dia atao hoe Coucou de Madagascar, fa amin' ny teny anglisy kosa dia atao hoe Madagascan cuckoo na Madagascar lesser cuckoo.
Na eto Madagasikara aza no tena ahitana azy dia hita any Afrika Atsimo, any Zambia, any Malaoy, any Borondy, any Roanda, any Oganda, ary any amin' ny Repoblika demokratikan' i Kôngô koa ny kankafotra. Mirefy eo amin' ny 28 sm eo ny halavany[1].
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]
Izao no amaritan' i Rajemia-Raolisona Régis azy ao amin' ny Rakibolana Malagasy:
"Karazam-borona ohatra ny voromailala ny habeny, vasobaso-bolo, mitovy amin' ny toloho ny bikan' ny tenany fa ny toloho menamena, malaza amin' ny fanenony tsy miova ary tsy diso fotoana (amin' ny fiandohan' ny lohataona sy fahavaratra) ka nahatonga ilay fitenenana hoe: "Volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany". (Anaran-kafa iantsoana azy koa: Taontaonkafa)"[2].
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]Kankafotra
- Hoatry ny volan' ny kankafotra, ka ny omaly tsy miova.
- Kankafotra aho: manambara taona, fa tsy hitsabo.
- Tsy ny fahamaroan' ny vorona, fa ny kankafotra mahalala taona.
- Tsy ny fahamaron' ny vorona, fa ny kankafotra no famantaran-taona.
- Tsy ny fahamaron' ny vorona, fa ny taontaonkafa no famantaran-taona.
- Volan' ny kankafotra, ka ny feo omaly tsy miova.
- Volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany.
Taotaonkafa
- Tsy ny fahamaron' ny vorona, fa ny taontaonkafa no famantaran-taona.
- Tsy ny fahamaron' ny vorona, fa ny taotaonkafa no famantaran-taona.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Morris, Pete; Hawkins, Frank (1998). Birds of Madagascar: A Photographic Guide. Mountfield, East Sussex, UK: Pica Press. p. 188. ISBN 1-873403-45-3.
- ↑ "Kankafotra", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalan'i Madagasikara.