Takodaran' i Saint Helena
Apparence
Ny takodaran' i Sainte Helena na takodarabe (Upupa antaios) dia karazam-borona misy sanga ao amin' ny fianakaviana Upupidae. Ity karazana takodara ity dia tsy fahita afa-tsy any amin' ny nosy Saint Helena.
Ny Saint Helena dia nosy britanika any amin' ny tapany atsimo amin' ny Ranomasimbe Atlantika. 1 950 km andrefan' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Afrika, ary 4 000 km any atsinanan' i Rio de Janeiro any Amerika Atsimo no misy azy.
Heverina fa nanjavona ity karazana takodara ity taoriana kelin' ny nahitan' ny Pôrtogey ilay nosy tamin' ny taona 1502. Lehibe lavitra noho ny karazana hafa misy ilay ity karazany iray ity. Miaina an-tanety izy io ary tsy nanidina.