Upupa epops africana

Ny Upupa africana dia karazana takodara, vorona misy sangany, noheverina teo aloha ho anisan' ny zana-karazan' ny Upupa epops (Upupa epops africana). Volomboasary antitra kokoa noho ny an' ny karazana hafa ny volony. Mandrakotra an' i Afrika ny faritra misy azy, manomboka any afovoan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ka hatrany Kenia ary any Cap (Afrika Atsimo). Tsy mpifindra monina izy, tsy toy ny Upupa epops.
Faritra ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]
Monina any amin' ny faritra manana toetany antonony sy mafana ao Afrika sy any Azia ary ao Eorôpa ny Upupa epops. Ny Upupa africana kosa dia hita ao Afrika Atsimo, ao Lesôtô, ao Esoatiny, ao Namibia, ao Bôtsoana, ao Zimbaboe, ao Môzambika, ao Angôla, ao Zambia, ao Malaoy, ao Tanzania, ao Arabia Saodita ary ao amin' ny tapany atsimon' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Upupa
- Upupa epops (takodara eoraziana)
- Upupa marginata (takodara malagasy)
- Upupa antaios (takodaran' i Sainte Helena)