Spiritoalisma (teôlôjia)

Avy amin'i Wikipedia
Thomas Muentzer

Ny spiritoalisma dia rivo-pisainana ara-pivavahana izay niseho tany Alemaina nandritra ny vanim-potoan' ny Refôrmasiôna, izay mihevitra fa ny Fanahy Masina dia ao amin' ny vatan' olombelona na eo amin' ny zavaboary, ary mihevitra ny tsy mampisy dikany na mandà mihitsy aza ny ankamaroan' ny endrika ivelambelany amin' ny fivavahana, hatramin' ny fiangonana amin' ny maha institosiôna azy, ny sakramenta sy ny tenim-pinoana, ary hatramin' ny Baiboly amin' ny toe-javatra sasany.

Matetika io teny io dia ampiasaina mahafao-be ho an' ny tantaran' ny kristianisma manontolo. Amin' ny ankapobeny anefa io teny io dia ampiasaina hanondroana an' io rivo-pisainana io izay niseho tamin' ny taonjato faha-16, izay mbola hita tamin' ny taonjato faha-17 ary nitohy tamin' ny pietisma sy teo anivon' ireo Prôtestanta anglisy nisaraka tamin’ ny Fiangonan' i Angletera (atao hoe English Dissenters) tamin' ny taonjato faha-16 ka hatramin' ny taonjato faha-18. Antsoina hoe "spiritoalisma mistika" io rivo-pisainana io indraindray noho ny fifandraisany amin' ny mistisisman' ny Andro Antenatenany.