Soson-drivotra ambany

Avy amin'i Wikipedia
Soson-drivotry ny tany
Habakabaka ivelany (> 10.000 km)
Ivelan-tsosondrivotra (800 - 10.000 km)
Sosom-pana (80 - 800 km)
Soson-drio
(50 - 500 km)
Soson-drivotra afovoany (50 - 80 km)
Soson-drivotra ambany (11 - 50 km) Soson'ôzônina
(10 - 50 km)
Sosom-pikoriana(0 - 11 km)

Ny soson-drivotra ambany dia ny soson-drivotra faharoan'ny soson-drivotry ny tany, izay any ambanin'ny soson-drivotra afovoany ary ao ambonin'ny sosom-pikoriana. Ny mahasamihafa ny soson-drivotra ambany sy ny sosom-pikoriana dia ny fiakaran'ny mari-pana arakaraka ny fiarakaran'ny haavo.

Ôzônina ary mari-pana[hanova | hanova ny fango]

Miakatra arakaraka ny haavo ny mari-pana. Ny faritra ambonin'ny soson-drivotra ambany dia 270 K (-3°C), izay somary ao ambanin'ny mari-panam-pivainganan'ny rano. Voasoson-tsosona ny soson-drivotra ambany satria mivaky ho ôksizenina tokana (O1) sy diôksizenina (O2) ny ôzônina (O3) noho ny habetsahan'ny taratra UVC. Mivadika fana amin'ny alalan'ny fahavakisan'ôzônina ny angovo entin'ny UVC amin'io haavo io ka somary ambony ny mari-pana. Amin'ny sosona afovoan'ny soson-drivotra ambany dia tsy be taratra UVC, ka mivadika ho ôzônina indray ny ôksizenina sy ny diôksizenina; kely dia kely ny UVC tonga hatreo ka somary ambany kokoa ny mari-pana. Vitsy dia vitsy ny UVC tonga any amin'ny sosona ambanin'ny soson-drivotra ambany ka tsy misy ôksizenina tokana afaka mivadika ho ôzônina amin'io haavo io. Mahatonga ny soson-drivotra ambany ho marin-toerana izany fisosonana izany, ka tsy misy fikorian-drivotra amin'io fari-tsoson-drivotra io. Ny soson-drivotra ambany dia voafaritry ny sisin-tsoson-drivotra ambany izay faritra ijanonan'ny fiakaran'ny mari-pana araka ny fiakaran'ny haavo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.