Solomon Caesar Malan

Avy amin'i Wikipedia
Solomon Caesar Malan

I Solomon Caesar Malan dia anglikana soisa, mahay fiteny maro ary mpandalina ny tantara sy ny kolontsaina tatsinanana. Namoaka asasoratra miisa 50 eo ho eo momba ny fandalinana ny Baiboly sy dikan-teny izy. Teraka tao Geneva (any Soisa) tamin' ny 22 Avrily 1812 ary maty tao Bournemouth (any Britaina Lehibe) tamin' ny 25 Nôvambra 1894 izy. Ankehitriny, ny Original Notes on the Book of Proverbs (1889–1893), izay nosoratan' i Malan, dia heverina ho asasoratra manan-danja noho ny fanakaran-kevitra nataony.