Sodoma

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Fandravana an'i Sodoma sy i Gomora, nataon'i Joachim Patinier, taonjato faha-16.

I Sodoma dia tanàna kananita taloha izay voatonona miaraka amin'ny tanana hafa atao hoe Gomora izay voaresaka ao amin'ny Baiboly, izay noravan'Andriamanitra tamin'ny fandatsahana afo sy solifara araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 18 sy 19) tokony ho tamin'ny taonjato faha-19 tal. J.K. Misy tanàna hafa koa izay nifanakaiky tamin'izy ireo, dia i Adma sy i Tseboima (na Zeboima) ary i Tsoara (na Zoara). Nodoran'Adriamanitra ireo tanàna ireo noho ny hadalan'ny filan'ny nofon'ny mponina tao. I Lota sy ny zanany no sisa velona fa afa-nandositra niala ny tanàna.

Ny Baiboly dia milaza fa tao atsimon'ny Ranomasina Maty no nisy an'i Sodoma, tao amin'ny misy an'i Jordania ankehitriny, tokony manoloana ny mandan'i Masada.

Ny anaran'ny tanàna sy ny mponina[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe סְדוֹם / Səḏôm ny anaran'i Sodoma amin'ny teny hebreo fa Σόδομα / Sódoma kosa amin'ny teny grika. Ny teny hoe Sodomita no fiantsoana ny mponina tao.