Sôdôma

Avy amin'i Wikipedia
Fandravana an'i Sodoma sy i Gomora, nataon'i Joachim Patinier, taonjato faha-16.

I Sôdôma dia tanàna kanaanita taloha voatonona miaraka amin' ny tanana hafa atao hoe Gômôra voaresaka ao amin' ny Baiboly, izay noravan' Andriamanitra tamin' ny fandatsahana afo sy solifara araka ny voalaza ao amin' ny Bokin' ny Genesisy na Jenezy (Gen. 18.19) tokony ho tamin' ny taonjato faha-19 tal. J.K. Misy tanàna hafa koa izay nifanakaiky tamin' izy ireo, dia i Adma sy i Tsebôima (na Zebôima) ary i Tsôara (na Zôara). Nodoran' Adriamanitra ireo tanàna ireo noho ny hadalan' ny filan' ny nofon' ny mponina tao[1]. I Lôta sy ny zanany no sisa velona fa afa-nandositra niala ny tanàna.

Ny Baiboly dia milaza fa tao atsimon' ny Ranomasina Maty no nisy an' i Sôdôma, tao amin' ny misy an' i Jôrdania ankehitriny, tokony manoloana ny mandan' i Masada.

Ny anaran' ny tanàna sy ny mponina[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe סְדוֹם / Səḏôm ny anaran' i Sôdôma amin' ny teny hebreo fa Σόδομα / Sódoma kosa amin' ny teny grika. Ny teny hoe Sôdômita no fiantsoana ny mponina tao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Sodome et Gomorrhe." Microsoft® Encarta® 2009 [DVD]. Microsoft Corporation, 2008.