Aller au contenu

Sitrinina

Avy amin'i Wikipedia
Vatokaranana sitrinina

Ny sitrinina dia karazana vatokaranana izay misy loko manomboka amin' ny mavo hatsatra ka hatramin' ny volontany noho ny fisiaran' ny loto hidrôksida-na vy ao aminy. Tsy fahita firy ny sitrinina voajanahary; ny ankamaroan' ny sitrinina eny amin' ny varotra dia ametista na vatokaranana setroka nohafanaina. Na izany aza, ny ametista nohafanaina dia misy tsipitsipika madinika ao amin' ny kristaliny, mifanohitra amin' ny sitrinina voajanahary izay manana endrika manjavozavo na toa misy setroka. Saika tsy azo atao ny manavaka amin' ny maso ny sitrinina voapaika sy ny tôpazy mavo, fa tsy itoviany dia ny hamafin' izy ireo.

Vatokaranana sitrinina

I Brezila no mpamokatra sitrinina be indrindra, ary ny ankamaroan' ny famokarana dia avy amin' ny Fanjakan' i Rio Grande do Sul. Indraindray ny sitrinina sy ny ametista dia hita miaraka amin' ny kristaly izay antsoina hoe ametrinina. Ireto koa ny firenena hafa ahitana betsaka ny sitrinina: Alemaina, Aotrisy, Espaina, Etazonia, Madagasikara ary Tsekia.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]