Siria-Palestina

Avy amin'i Wikipedia
I Siria-Palestina (izay atao hoe "Palestina" eo amin' ity sarintany ity) tamin' ny taona 135 taor. J.K. – 390 taor. J.K..

I Siria-Palestina dia ny faritany rômanan' i Jodea (na Jodia) taorian' ny tsy fahombiazan' ny fikomian' i Bar-Kokhba (taona 132-135). Mbola i Kaisarea (na Kaisaria na Sezarea) ihany no renivohiny nefa samy hafa amin' ny faritanin' i Siria izay ao avaratra kokoa sady manana an' i Antiôkia (na Antiôka) ho renivohitra. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Syria Palæstina, izay midika hoe "Siria palestiniana". Nomen' i Hadriano an' i Jodea (latina: Iudaea) an' io faritany io izany anarana izany mba hanasaziana ny Jodeana (izay atao akehitriny hoe Jiosy na Jody).

Ny fanovana anarana an' io faritany io dia niaraka amin' ny fepetra famaizana mahery vaika maro. Ny fepetra noraisin' i Hadriano dia natao handavana ny maha jiosy an' ilay faritra, satria noroahina tsy ho ao Jerosalema, izay lasa tanim-boanjo rômana sady nantsoina hoe Elia Kapitôlina (latina: Ælia Capitolina), ny Jiosy. I Antônino Tia Vavaka, izay tsy nanafoana ny lehibe amin' ny fandaminan' i Hadriano dia angamba nanalefaka ny fepetra mafy indrindra ka nanafona ny fandrarana ny famorana.

Mba hisakanana ny fikomiana vaovao dia nampitomboina ny andian-tafika tao amin' ilay faritany. Nanomboka tamin' izay dia nahitana legiôna roa sy andiana miaramila mpanampy maro ity andian-tafika ity, ka vokatr' izany dia legata prôpretora kônsola taloha no mitondra ilay faritany raha pretora taloha no nitantana izany teo aloha. Taorian' izany dia hita ho nahatoky tamin' ny Empira Rômana ilay faritany izay niseho ho tsy nanaraka ny fisandoham-pahefana nataon' i Avidio Kasio na i Peskenio Nigera. Napetraka tao Kaparkôtna tao Galilea ny Legiôna VI Ferrata fa ny Legiôna X Fretensis kosa dia natao tao Elia Kapitôlina.

Nanafona ny fiantsoana hoe Siria-Palestina ny fandaminana ara-pitrantanana nataon' i Diôkletiano sy ny mpandimby azy. Lasa nantsoina hoe faritany rômanan' i Palestina ilay faritany izay niitatra satria notovanana amin' ny ampahan' ny faritanin' i Arabia (Arabia Petrea sy Sinay) avy ao atsimo tamin' ny taompolo 290, alohan' ny hizaràna azy ho faritany telo, dia ny faritanin' i Palestina Voalohany sy ny faritanin' i Palestina Faharoa ary ny faritanin' i Palestina Fahatelo tamin' ny taonjato faha-4.