Sekoly jôhanika

Avy amin'i Wikipedia

Ny sekoly jôhanika na ny kristianisma jôhanika dia azo inoana fa vondron' ny Kristiana tamin' ny faran' ny taonjato voalohany izay misy milaza fa mety nanoratra miaraka, amin' ny teny grika, ny vondron-dahatsoratra jôhanika, indrindra fa ny Evanjely araka an' i Joany na Filazantsara araka an' i Jaona. Anisan' ireo mpamakafaka ny Baiboly nanohana indrindra ny fisian' ity vondrom-piarahamonina ity i Oscar Cullmann, i Raymond E. Brown, i Bart D. Ehrman, i Harold W. Attridge, i Udo Schnelle ary i Jean Zumstein.

Mbola iadian-kevitra eo amin' ny samy manam-pahaizana manokana ny maha akaiky an' io firehana io amin' ny Apôstôly roa ambin' ny folo, toraka izany koa ny fifandraisany amin' ny jodaisma "ôrtôdôksa" na ny marimarina kokoa hoe "heterôdôksa”, ary koa ny toerana izay niorenany, na dia mirona any Azia Minora aza ny ankamaroan' ny mpikaroka, angamba ny faritr' i Efesôsy.

Na izany aza, io vondrona io dia nanome ho an' ny kristianisma fitambarana angon-dahatsoratra miavaka amin' ny filazantsara sinôptika ary toa nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny fananganana ny "Fiangonana Lehibe" sy ny famaritana ny kristôlôjia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]