Joany Antidahy

Avy amin'i Wikipedia

I Joany Antidahy na Jaona Loholona na Jaona Presbitera dia lehilahy resahin' i Papiasy sy i Eosebiôsy avy any Kaisaria (na Sezarea) izay nanangana ny fiangonan' i Efesôsy (na Efesso na Efezy). I Eosebiôsy, izay nanaraka ny voalazan' ny lovantsofina tranainy, dia manavaka olona roa samy atao hoe Joany (na Jaona), dia i Joany Apôstôly sady zanak' i Zebedeo, sy i Joany Antidahy (na Presbitera na Loholona), voalaza ao amin' ireo Epistilin' i Joany. Misy mpanao fivoasana ny Baiboly izay milaza fa i Joany Antidahy no nanoratra ny Evanjelin' i Joany, nefa izany petrakevitra izany dia misy manohitra. Lazaina fa niaina teo anelanelan' ny taona 50 sy 100 taor. J.K. i Joany Antidahy ary tsy apôstôly nahita maso ny nanomboana an' i Kristy teo amin' ny hazo fijaliana tamin' ny taona 33 taor. J.K.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]