Science (gazetiboky)
Science dia gazetiboky akademika manana komity mpamaky, izay an' ny American Association for the Advancement of Science (AAAS), sady anisan' ny gazetiboky akademika avo lenta eran-tany. Navoaka voalohany tamin' ny taona 1880 izy io, ary mivoaka isan-kerinandro amin' izao fotoana izao sady manana mpanjifa manodidina ny 130 000. Mikendry mpamaky betsaka kokoa ny famandrihan' ny fikambanana sy ny fizahana azy an-tserasera, noho izany dia tombanana ho olona 400 000 mahery no mpamaky azy.
Miorina ao Washington, D.C., any Etazonia, ny gazetiboky Science, ary ahitana biraony faharoa koa ny any Cambridge, any amin' ny Fanjakana Mitambatra.
Science dia gazetiboky izay mamoaka lahatsoratra amin' ny sehatra siantifika rehetra (biôlôjia, simia, fizika, matematika, antrôpôlôjie, arkeôlôjia, sns.).