Sambon' i Borobudur
Ny sambon' i Borobudur dia sambo iray avy ao Azia Atsimo Atsinanana an-dranomasina (ahitana an' i Broney, i Indônezia, i Malezia, i Filipina, i Singapaoro, ary i Timôro Atsinanana amin'izao fotoana) vita amin' ny hazo manontolo misy fanarina andaniny sy ankilany nampiasaina tamin' ny taonjato faha-8 na/sy faha-9 aseho sary sokitra amin'ny fanorenana bodista vita rindrim-bato ao Borobudur[1] any Java Afovoany, Indônezia. Sambom-bahoaka Javaney izy io, sambo mitovy habe sy karazana amin'ireo sambo fampiasa any Java Atsinanana farafaharatsiny hatramin' ny taompolo 1940.
Ny toetran' ireo sambon' ny tempolin' i Borobudur ireo dia ahitana: misy faharina tsy mitovy amin' ny halava amin' ny vatany, misy andrin-day roa na telo miaraka amin' ny lay efa-joro, mivoaka ivelany ny lay, misy efitra ambony itoeran' ny olona milahatra mipetraka na mitsangana mivoy, misy efitra ambany, misy lavaka fijerena (voasokitra na mivohitra), ary familiana ampahefatry. Ny sambo sasany dia aseho amin' ny fivoy miisa enina na valo na sivy fara fahakeliny, ary ny sasany tsy manana.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Tempoly bodista mahaiana tamin' ny taonjato faha-9 ao amin'ny fanjakan' i Magelang any Java, any Indônezia.