Saikinosy Masoala
Apparence
Ny Saikinosy Masoala na Saikinosin' i Masoala dia saikinosy eto Madagasikara izay mitodika mianatsimo mankany amin' ny Ranomasimbe Indianina. Manidy ny helodrano lehibe amin' ny Nosy, any atsimo-andrefan' ny Ranomasimbe Indianina, ny helodranon' i Antongila izy. Ny saikinosy dia toa tsipika tsotra fotsiny eo amin' ny morontsiraka avaratra-atsinanana, faritra tsy misy lalana. Na izany aza, io fitokanana io dia nahafahana niaro ny iray amin' ireo ala voalohany eto Madagasikara. Nanomboka tamin' ny taona 1997, ny ankamaroan' ny faritra misy azy dia voaaro amin' ny alalan' ny Valan-javaboarin' i Masoala.