Raymond Decary

Avy amin'i Wikipedia
I Raymond Decary

I Raymond Decary dia antrôpôlôga, mpahay zavamaniry, mpahay tantara, mpahay fiteny, jeôlôga ary etnôlôga frantsay, sady mpiasam-panjakana ambony nandritra ny fanjanahan-tany frantsay, teraka tamin' ny 22 Nôvambra 1891 tao Méry-sur-Seine (Aube) ary maty tamin' ny 13 Desambra 1973 tao Paris teo amin' ny faha-82 taonany.

Zontram-piainany[hanova | hanova ny fango]

Sarotra sokajina ho ao amin' ny sokaji-mpikaroka i Raymond Decary. Mpahay zavaboary, etnôlôga, ny jeôlôga, ny mpahay tantara, ary ny mpahay teny izy, izay nisahana ny seha-pikarohana rehetra teto Madagasikara. Mahavariana ny asany amin' ny maha mpahay zavaboary azy. Raha momba ny haizavamaniry sy ny haibiby dia manodidina ny folo sy vondron-karazana sy an-jatony ny karazana nampitondraina ny anarany. Ao amin' ny Muséum national d'histoire naturelle, amin' ny maha mpanangona zavamaniry azy dia nanangona santionany mihoatra ny 40 000 avy amin' ny zavamaniry malagasy. Nanoratra lahatsoratra maherin' ny 400 sy boky manodidina ny roapolo izy. Amin' ny alalan' izany dia mpanohy ny asa goavana nataon' i Alfred Grandidier (1836-1921) sy i Guillaume Grandidier (1873-1957) izy.

Satria izy no mpandraharaha (administratera) taty amin' ny zanatany - akaikin' ny vahoaka tantatany izay niresahany tamin' ny teny malagasy - dia azony natao ny namokatra asa siantifika, ivelan' ny asa maha mpandraharaha azy. I Raymond Decary dia mpikambana tao amin' ny fikambanan' ny manampahaizana sy toeram-pikarohana maro, indrindra ny Académie malgache (Akademia Malagasy), ny Société de géographie ("Fikambanana Jeôgrafia"), ny Muséum national d'histoire naturelle izay namelany ny tahirin-kevitra sora-tanana nataony, atao hoe Journal, ary ny ankamaroan' ny fanangonan-tsary pika; ny Académie des sciences d'outre-mer izay nomeny ny tranomboky misy boky 4 300 momba an' i Madagasikara; ny Musée de l'Homme izay nomeny fanangonan-javatra momba ny foko eto Madagaskara.

Sokajy sy karazan-javamananaina mitondra ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Raha momba ny haizavamaniry sy ny haibiby dia vondron-karazana ampolony sy karazana anjatony no mitondra ny anarany.

  • (Acanthaceae) Ruellia decaryi Benoist
  • (Asphodelaceae) Aloe decaryi Guillaumin
  • (Anacardiaceae) Operculicarya decaryi H.Perrier
  • (Apocynaceae) Hazunta decaryi Markgr.
  • (Aponogetonaceae) Aponogeton decaryi Jum.
  • (Arecaceae) Dypsis decaryi (Jum.) Beentje & J.Dransf.
  • (Asclepiadaceae) Trichocaulon decaryi Choux
  • (Asteraceae) Centauropsis decaryi Humbert
  • (Bignoniaceae) Ophiocolea decaryi H.Perrier
  • (Boraginaceae) Ehretia decaryi J.S.Mill.
  • (Buddlejaceae) Androya decaryi H.Perrier
  • (Combretaceae) Combretum decaryi Jongkind
  • (Cucurbitaceae) Xerosicyos decaryi Guillaumin & Keraudren
  • (Cyperaceae) Bulbostylis decaryi Cherm.
  • (Euphorbiaceae) Zimmermannia decaryi (Leandri) G.L.Webster var. occidentalis (Leandri) M.M.Poole
  • (Hydrostachyaceae) Hydrostachys decaryi H.Perrier
  • (Iridaceae) Gladiolus decaryi Goldblatt
  • (Lamiaceae) Capitanopsis decaryi Danguy
  • (Leguminosae) Poinciana decaryi R.Vig.
  • (Malpighiaceae) Microsteira decaryi Arènes

Boky nosoratany[hanova | hanova ny fango]

  • L'Androy, essai de monographie régionale, Paris, Société d'Éditions géographiques, maritimes et coloniales, 2 vol., 1930-1933.
  • L'Établissement de Sainte-Marie de Madagascar sous la Restauration et le rôle de Sylvain Roux, Paris, Société d'Éditions géographiques, maritimes et coloniales, 1937.
  • Plantes et animaux utiles de Madagascar, Marseille, Annales du Musée colonial, 1946.
  • La faune malgache, Paris, Éditions Payot, 1950.
  • Mœurs et coutumes des Malgaches, Paris, Éditions Payot, 1951.
  • Madagascar, (collection Terres lointaines), Société d'Éditions géographiques, maritimes et coloniales, 1952.
  • Histoire des populations autres que les Merina, (en collaboration avec G. Grandidier), fasc. I, in : "Histoire politique et coloniale de Madagascar", Tananarive, Imprimerie officielle, 1958.
  • L'Habitat à Madagascar, Paris, Larose, 1958.
  • Les ordalies et sacrifices rituels chez les anciens Malgaches, Paris, Larose, 1959.
  • L'Ile Nosy-Bé de Madagascar : histoire d'une colonisation, Paris, Éditions maritimes et d'outre-mer, 1960.
  • Les voyages du chirurgien Avine à l'Ile-de-France et dans la mer des Indes au début du xixe siècle, Port-Louis (île Maurice), 1961.
  • La mort et les coutumes funéraires à Madagascar, Paris, G.-P. Maisonneuve et Larose, 1962.
  • Contes et légendes du sud-ouest de Madagascar (collection "Les Littératures populaires de toutes les nations), Paris, G.-P. Maisonneuve et Larose, 1964.
  • Coutumes guerrières et Organisation militaire chez les anciens Malgaches, Paris, Éditions maritimes et d'outre-mer, T. I : Les anciennes pratiques de guerre, 1966. T. II : L'Histoire militaire des Merina, 1966.
  • Souvenirs et croquis de la terre malgache, Paris, Éditions maritimes et d'outre-mer, 1969.
  • Madagascar, passion d'un naturaliste - extraits du journal de Raymond Decary - 1920 - 1939, extraits présentés par Yvonne Decary, Saint-Égrève, Éditions Alzieu, 2012
  • Madagascar, entre la fleur et le képi - extraits du journal de Raymond Decary - 1939 - 1944, extraits présentés par Yvonne Decary, Saint-Égrève, Éditions Alzieu, 2012
  • Raymond Decary de Verdun à Madagascar, lettres de guerre (1914) et extraits du journal de Raymond Decary présentés par Yvonne Decary. Saint-Égrève, Éditions Alzieu, 2017