Guillaume Grandidier

Avy amin'i Wikipedia
Guillaume Grandidier

I Guillaume Grandidier dia mpahay jeôgrafia, etnôlôga ary zôôlôga frantsay, teraka ny 1 Jolay 1873 tao Paris ary maty ny 13 Novambra 1957, izahy nanompana ny fikarohany tamin' i Madagasikara.

I Guillaume Grandidier dia mpanoratra ny Atlas des colonies françaises, protectorats et territoires sous mandat de la France, fantatra amin' ny anarana hoe "Atlas Grandidier", niaraka amin' i Georges Petit sy i Édouard Bourdelle; ny Zoologie de Madagascar ary navoakany miaraka amin' ny rainy (Alfred Grandidier) ny Collection des ouvrages anciens concernant Madagascar. Amin' ireo sanganasany maro hafa momba an' i Madagasikara, ny malaza indrindra dia ny Madagascar : L’Histoire politique, physique et naturelle de Madagascar, novokarina niaraka tamin' ny rainy sy ireo manam-pahaizana hafa toa an' i Alphonse Milne-Edwards sy Léon Vaillant. Maro amin’ireo sanganasany no ao amin’ny Fonds Grandidier ao Antananarivo eto Madagasikara.