Aller au contenu

Raphaël Louis Rafiringa

Avy amin'i Wikipedia
Raphaël-Louis Rafiringa

I Raphaël Louis Rafiringa dia relijiozy katôlika malagasy teto Madagasikara izay frera ao amin' ny fikambanan' i De La Salle, izy no lasa lehiben' ny Katôlika eran' i Madagasikara tamin' ny fotoana nandroahana ny misiônera vahiny teto amin' ny firenena. Teraka tamin' ny 1 Mey 1856 tao Antananarivo ary maty tamin' ny 19 Mey 1919 tao Fianarantsoa izy. Nobeazina tamin’ ny fivavahan-drazana i Rafiringa saingy niova ho kristiana ary natao batemy tamin' ny fahazazany.

Tamin' ny 7 Jona 2009 no nasandratra ho olon-tsambatra Rafiringa; nisolo tena ny papa Benoà XVI ny arseveka Angelo Amato.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]