Aller au contenu

Lucien Botovasoa

Avy amin'i Wikipedia
Lucien Botovasoa

I Lucien Botovasoa dia mpampianatra katôlika teto Madagasikara, sady mpikatroka mafàna fo sady mpikambana tao amin' ny Ordre franciscain séculier. Teraka tamin' ny taona1908 izy ary maty tamin' ny 14 Avrily 1947. Novonoina nandritra ny fanenjehana ny mpitondra fivavahana izay heverina ho mpamadika tanindrazana izy tamin' ny ady hanafoanana ny fanjanahantany izy. Manaiky azy ho maritira ny Eglizy Katôlika.

Mpampianatra nandritra ny androm-piainany i Botovasoa ary natokana ho an' ny fanabeazana laika sy ara-pinoana ny ankizy. Ny hetahetany momba ny fiainana ara-pivavahana no nahatonga azy hahita ny Ordre franciscain séculier tamin' ny taona 1940 ary lasa anisan' izany izy; namory olona hafa mba hahafantatra an' i Francesco d'Assisi izy ary niditra tao amin' ilay fikambanana. Noraisin' i Botovasoa ho an' ny tenany ihany koa ny karisma fransiskanina tamin' ny alalan' ny fifadian-kanina sy ny fomba fitafiny.

Nisy namono i Botovasoa tamin' ny taona 1947, nandritra ny fotoana nisian' ny korontana teto Madagasikara. Nisokatra tamin' ny 11 Ôktôbra 2011 teo ambany fitarihan' ny papa Benoà XVI ny fandinihana ny tokony hanokanana azy ho olomasina, izay nahazoany anaram-boninahitra hoe Mpanompon' Andriamanitra (amin' ny fiteny latina: Servus Dei). Nohamafisin' ny papa Fransoà tamin' ny tapaky ny taona 2017 fa noho ny fankahalana ny finoany (larina: In odium fidei) no namonoana an' i Botovasoa ary namoaka didy fa tokony hasandratra ho olon-tsambatra izy; koa dia notanterahina tany Vohipeno ny lanonana tamin' ny 15 Avrily 2018.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]