Ptôlemaiôsy IV
Apparence
I Ptôlemaiôsy IV na Ptôlemaiôsy IV Filôpatôra dia mpanjaka sy faraon' i Egipta teo anelanelan' ny taona 222 tal. J.K. sy ny taona 204 tal. J.K., avy amin' ny fianakaviana lagida. Nandimby an' i Ptôlemaiôsy III Evergetesy rainy izy sady nodimbiasin' i Ptôlemaiôsy V zanany. Tamin' ny fanapahany no nanombohan' ny fihemoran' i Egipta ptôlemaika, noho izy tsy niraharaha afa-tsy ny filalaovana sy ny fihaingoana fa tsy ny hampandoso ny fanjakana sy ny vahoakany. Teraka tamin' ny taona 244 tal. J.K. sy maty tamin' ny taona 204 tal. J.K. izy. Atao hoe Πτολεμαῖος Φιλοπάτωρ / Ptolemaios Philopatôr io anarana io amin' ny teny grika. Ny hoe Philopatôr dia midika hoe "tia ray".
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Ny mpanjaka lagida nifandimby: Ptôlemaiôsy I - Ptôlemaiôsy II - Ptôlemaiôsy III - Ptôlemaiôsy IV - Ptôlemaiôsy V - Ptôlemaiôsy VI - Ptôlemaiôsy VII - Ptôlemaiôsy VIII - Ptôlemaiôsy IX - Ptôlemaiôsy X - Ptôlemaiôsy XI - Ptôlemaiôsy XII - Berenike IV - Kleôpatra VII - Arsinôe IV - Ptôlemaiôsy XIII - Ptôlemaiôsy XIV - Ptôlemaiôsy XV.
- Fianakavia-mpanjaka lagida