Fiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Pentekotista)
Ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra dia antokom-pinoana kristiana eto Madagasikara izay sampan' ny United Pentecostal Church International (UPCI). Araka io anarany io dia ao amin' ny firehana pentekotistan' ny sampana ara-pilazantsaran' ny kristianisma no misy azy. Ny misiônera Chris Richardson mivady no nitarika azy. Ny tobin' io fiangonana io dia ao Ambohidratrimo Antananarivo, ary misy fivoriana isan-taona isaky ny voalohan' ny herinandron' ny volana Septambra, efa misy fiangonana manodidina ny 1 000 eo ho eo eto Madagasikara, tahaka izany koa ireo mpitandrina, efa misy aman' alina ny mpino.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Kristianisma
- Kristianisma eto Madagasikara
- Prôtestantisma
- Prôtestantisma eto Madagasikara
- Evanjelisma
- Evanjelisma eto Madagasikara
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- "Les pionniers du pentecôtisme à Madagascar (3) : La famille Richardson", Le Blog de Bernard Boutter (3 juin 2015)