Hankany amin'ny vontoatiny

Pachypodium

Avy amin'i Wikipedia
Pachypodium rosulatum gracilius ao amin' ny valan-javaboarim-pirenenan' i Isalo, eto Madagascar

Ny Pachypodium dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae. Midika hoe "tongotra matevina" na "matevin-tongotra" io anarana io, noho ny fananany vatana matevina any am-potony. Ny ankamaroany eto Madagasikara dia mitondra ny anarana hoe vontaka na bontaka. Sahala amin' ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae ny vontaka ka misy ranony fotsy madity toy ny fingotra sady misy alkalôida izay mety poizina mahafaty. Matevin-taho sady rakotra tsilo ary misy ravina mora mihintsana ny vontaka. Eto Madagasikara sy ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika no ahitana azy.

Karazana ao amin' ilay sokajy

[hanova | hanova ny fango]
Pachypodium saundersii
Pachypodium geayi
Pachypodium baronii

Misy karazana 25 fantatra ankehitriny ny Pachypodium, ka ny 20 amin' ireo dia hita eto Madagasikara. Mitombo hatrany ny isan' ny karazana ekena satria novelomina avy amin' ny fanasokajiana tsy manan-kery ny Pachypodium menabeum ary natsofoka vao haingana tao anaty lisitra ny Pachypodium makayense. Misy mihevitra fa amin' ny faritra toa an' i Madagasikara dia mety mbola misy karazana tsy fantatra izay voafefy vatolampy na havoam-bato.

Pachypodium namaquanum
Pachypodium lealii

Ireto ny karazana Pachypodium misy:

Faritra misy azy sy toerana aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Faritra eto amin' izao tontolo izao ahitana azy

[hanova | hanova ny fango]
Pachypodium lamerei

Ny Pachypodium dia teratany eto Madagasikara sy ao amin' ny tapany atsimo amin' i Afrika, ahitana an' i Angôla, i Esoatiny, i Môzambika, i Namibia, i Afrika Atsimo ary i Zimbaboe.

Toerana tiany aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Ny Pachypodium any ao Afrika sy eto Madagasikara dia maniry amin' ny haavo isan-karazany. Manomboka amin' ny haavon' ny ranomasina izany (0 m) — izay ahitana ny karazana sasany, toa ny P. geayi, izay maniry eny amin' ny dongom-pasika — ka hatramin' ny 1 600 m ho an' ny Pachypodium lealii any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika ary 1 900 m ho an' ny Pachypodium brevicaule eto Madagasikara.

Ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, ny maripana tafahoatra dia manomboka amin' ny −10 °C any amin' ny toerana sasany ka hatramin' ny 45 °C, fa eto Madagasikara kosa dia −6 hatramin' ny 40 °C.

Pachypodium horombense

Tsy dia misy dikany loatra ny famintinana ny fomban' ny rotsak' orana ho an' ny faritra atsimo amin' i Afrika sy i Madagasikara satria miovaova be ny toerana mety anirian' ny Pachypodium amin' ny resaka hamandoana. Amin' ny toerana sasany any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika dia mahatratra 75 mm ny rotsak' orana isan-taona azon' ny Pachypodium, fa any amin' ny toerana hafa kosa dia 1 985 mm izany. Noho izany, ny rotsak' orana ho an' ny karazana Pachypodium dia miankina amin' ny faritra misy ny toerana aniriany mifandray amin' ny fiantraikan' ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasimbe Indiana ary ny tendrombohitra isan-karazany any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika sy eto Madagasikara.

Ny vontaka dia maniry any amin' ny faritra misy fizaran-taona maina anatin' ny dimy ka hatramin' ny folo volana. Ohatra, fahita any amin' ny ala maina misy ravina maina izay misy fizaran-taon' ny hain-tany maharitra sy amin' ny tany feno vatosokay ny vontaka sasany.

Anarana amin' ny teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]
Pachypodium lamerei

Ny anarana amin' ny teny malagasy anondroana ny vontakia sy ny karazana misy ao miny dia mety ho anarana iray manondro karazana iray na roa na mihoatra, mety ho anarana roa na mihoatra hanondro karazana iray.

Lisitry ny anarana

Pachypodium rosulatum

Indreto ny anaran' ny karazana Pachymodium amin' ny teny malagasy: betono, bokalahy, bontaka, botaka, hazontavoahangy, kimondrimondry, kimondro, kimondromondro, lomo, manasindahitra, sakavirombato, salotra, salotsa, samona, saribotaka, somana, somo, somona, somono, somoy, songosonso, tsimondrimondry, tsimondromondro, tsimontsimondry, veloarivatana, vohely, vontaka, vontakabe, vontakakely, vontakambato, vontake, votasitry. Marihina fa misy amin' ireo teny ireo ny manondro karazana maromaro ary misy ny anarana maromaro manondro karazana tokana.