Otto Christian Dahl

Avy amin'i Wikipedia

I Otto Christian Dahl dia misiônera nôrveziana niasa teto Madagasikara, mpahay fiteny ary manam-pahaizana iantohan' ny momba ny governemanta. Teraka tamin' ny 15 Jolay 1903 ary maty tamn' ny 11 Nôvambra 1995.

Teraka tao Namsos i Dahl. Nisoratra anarana tamin' ny fianarana teôlôjia izy tamin' ny taona 1924, nahazo diplôma tamin' ny taona 1927, ary natao ôrdinasiôna tamin' io taona io ihany. Niasa nandritra ny herintaona tao amin' ny Sekolin' ny Misiônan' i Stavanger izy talohan' ny nandehanany teto Madagasikara tamin' ny taona 1929 ho misiônera tao amin' ny Norwegian Missionary Society (NMS). Niasa teto Madagasikara izy, ary nisy ny fahatapahana sasany, hatramin' ny taona 1957. Izy no talen' ny misiôna tany amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara tamin' ny taona 1952 ka hatramin' ny 1957, ary filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy tamin' ny taona 1955 ka hatramin' ny 1957. Mpampianatra tao amin' ny Sekolin' ny Misiôna izy tamin' ny taona 1948 ka hatramin' ny 1949, ary niasa ho sekreteran' ny misiôna ho an' ny NMS tamin' ny taona 1958 ka hatramin' ny 1966.

Nandalina ny haiteny tany Oslo (1935–1937, 1947–1948, ary 1950–1952) i Dahl, tany Hamburg (1937), ary tany Leiden (1950). Nahazo ny dôktôrata tao amin' ny Oniversiten' i Oslo izy tamin' ny taona 1952 tamin' ny alalan' ny tsangan-keviny hoe Malgache et maanjan: Une comparaison linguistique. Anisan' ny nampiavaka azy ny maha manam-pahaizana ambony indrindra eran-tany momba ny fiteny malagasy. Ny asasoratra nataon' i Dahl tamin' ny fiteny sy ny fampitahana ny fiteny malagasy sy ny fiteny maaniany dia nitarika azy sy ny hafa hampandroso ny teôria iazay milaza fa tamin' ny taona 400 tany ho any no niorim-ponenana teto Madagasikara ny olona miteny maaniany avy any amin' ny faritra Tamianglayang any atsimo-andrefana amin' i Kalimantan.

Lasa mpikambana tao amin' ny Akademia Malagasy izy tamin' ny taona 1941, ary tao amin' ny Akademia Nôrveziana momba ny Siansa sy ny Literatiora tamin' ny taona 1957.

Nanan-janaka dimy i Dahl, ka i Øyvind Dahl ny iray amin' izy ireo, misiônera sady mpampianatra ao amin' ny Sekolin' ny Misiônan' i Stavanger. I Otto Christian Dahl dia maty tany Stavanger.

Asa voafantina nataon' i Dahl[hanova | hanova ny fango]

  • "Bibelen på Madagaskar", 1950
  • "De Zending op Madagaskar", 1950
  • Malgache et maanjan: Une comparaison linguistique, 1951
  • Les débuts de l'orthographe malgache, 1966
  • Contes malgaches en dialecte sakalava, 1968
  • Misjonsarbeidet og folkets kulturelle tradisjoner: Et foredrag for misjonærer, 1969
  • Gassisk, 1970
  • Proto-Austronesian,1973, 1977
  • Atopazy ny masonao, 1974
  • Early Phonetic and Phonemic Changes in Austronesian, 1981
  • "Sorabe: revelant l'evolution du dialecte Antemoro", 1983
  • "Norske misjonærers innsats i vitenskapelig arbeid", 1984
  • "Mahomet dans le panthéon Malgache", 1984
  • "Focus in Malagasy and Proto-Austronesian", 1986
  • En dør mellom tanker: misjon og språk, 1987
  • "Bantu Substratum in Malagasy", 1988
  • Norsklærer for folk med annet morsmål, 1990
  • "Migration from Kalimantan to Madagascar",1991
  • Kulturminner: døde levninger eller levende minner?, 2001