Olom-potsy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Olom-potsy dia sarangam-piarahamonina betsileo. Voalaza fa misy fokon' Olom-potsy miisa 78 ny Betsileo. Ny maha isan' ny foko iray dia mifindra amin' ny alalan' ny fianahana ary mamaritra ny lalàn' ny fanambadiana izay tsy azo atao afa-tsy eo amin' ny fianakaviana iray foko ihany. Ny foko tsirairay dia samy manana ny fadiny, sady manana ny fitsipika mifehy azy. Iray amin' ireo saranga efatra tao amin' ny fiarahamonina nentim-paharazana betsileo ny Olom-potsy, ka ny telo hafa dia ny Hova (andriana), ny Andevohova ary ny Andevo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Sanga tao amin' ny fiarahamonina betsileo: