Oahabisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny oahabisma dia hetsika fanavaozana fondamentalista milaza ho anisan' ny silamo sonita hanbalita, izay manindrahindra ny fiverenana amin' ny fomba amam-panao teo amin' ny fiarahamonina moziolmana tamin' ny andron' ny mpaminany Mohamady sy ireo mpandimby azy voalohany na kalifa. Mifandray akaiky amin' ny hetsika salafista izany.

Ny mpitoriteny sy ny teôlôjiana Mohammed ben Abdelwahhab (1703-1792) dia heverina ho mpanorina ilay hetsika tamion' ny manodidina ny taona 1740. Niara-niasa tamin' i Mohammed Ibn Saud, mpanorina ny tarana-mpanjaka saodiana, manodidina ny taona 1744-1745 izy, fiaraha-miasa izay mitohy ankehitriny eo amin' ilay fianakavianan' ny taranany, Al ach-Sheikh, sy ny tarana-mpanjaka Al Saud.

Iray amin' ny foto-kevitra ivon' ny oahabisma ny fiheverany ho endriky ny pôliteisma (shirk) ny fampiarahana an' Andriamanitra amin-javatra na zavamananaina hafa, toy ny fanajana miendri-pivavahana amin' ny olo-masina.

Ankehitriny dia ny oahabisma no endrika ôfisialin' ny fivavahana silamo izay milaza ho sonisma hanbalita any Arabia Saodita sy, amin' ny endrika nohalefahina, any Katara. Na izany aza, ny mpanaraka izany endri-pivavahana izany sy ny manampahefana saodiana dia mandà mafy ny fampiasana an' io teny io hanondroana azy ireo: ny foto-pampianarana arahin' izy ireo dia mivoatra, araka ny filazan' izy ireo, fa tsy toy ny foto-pampianarana oahabita izay mampianatra fa fanakara-kevitra iray ihany momba ny lahatsoratra ara-pivavahana no azo atao ka tsy misy toerana ho an' ny fahasamihafana eo amin' ny finana silamo.

Ny fisondrotan' ny harena azo avy amin' ny solitany indrindraindrindra (ny dona ara-tsolitany tamin' ny taona 1973 sy 1979) dia nahatonga ilay hetsika ho lasa iraisam-pirenena nanomboka tamin' ny taompolo 1970. Voampanga ho loharanon' ny fampihorohoroana maneran-tany ny oahabisma, na fara-faharatsiny nanosika ny foto-pisainana salafista-jihadista noraisin' i Al-Qaida sy ny Fanjakana Islamika (Daesh).

Amin' ny fampiasana ankehitriny ny teny hoe "oahabisma" sy "salafisma" dia matetika heverina ho teny mitovy hevitra izay samy anondroana ny hetsika samihafa fiaviana nefa nitambatra tamin' ny taompolo 1960. Ireo hetsika ireo dia milaza fa manaraka ny fampianaran' i Ibn Taymiyya sy i Mohammed ben Abdelwahhab.