Ny Vavak' i Azariasa sy ny Tonon-kiran' ireo Zatovolahy telo ao anaty afo
Ny Vavak' i Azariasa sy ny Tonon-kiran' ireo Zatovolahy telo ao anaty afo dia lahatsoratra ao amin' ny Bokin' i Daniely ao amin' ny Baiboly katôlika sy ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa izay tsy hita ao amin' ny Baiboly hebreo sy ao amin' ny Baiboly prôtestanta. Anisan' ireo soratra fanampiny izany. Ao amin' ny Daniely 3.24-90 no ahitana azy ireo. Tsy voasoratra tamin’ ny fiteny hebreo na arameana tany amboalohany io lahatsoratra io fa tamin' ny fiteny grika.
Ny anaran' izy ireo
[hanova | hanova ny fango]Ireo zatovolahy telo ireo dia i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednegao (na Abednego). Anarana babilôniana ireo, araka ny didin' ny mpanjaka izay nampanova ny anaran' izy ireo.
Ny hoe Sadraka (hebreo: שַׁדְרַך / Shaḏraḵ) dia nasolo ny anarana hebreo hoe Hanania (hebreo: חֲנַנְיָה / Ḥănanyāh), "Be fahasoavana i Yah". Ny hoe Mesaka (hebreo: מֵישַׁ֖ךְ / Mêshaḵ) dia nasolo ny anarana hebreo hoe Misaela (hebreo: מִישָׁאֵל / Mîšā’êl), "Iza no El?". Ny hoe Abednego (hebreo: עֲבֵ֣דנְג֑וֹ / ‘Ǎḇêḏ-Nəḡō) dia nasolo ny anarana hebreo hoe Azarià (hebreo: עֲזַרְיָה / Ǎzaryāh), "Nanampy i Yah". Ny hoe Yah dia fanafohezana ny anaran' Andriamanitra hoe Yahweh) ary ny hoe El dia midika hoe "Andriamanitra". Ampahatsiahivina fa ny anarana babilônianan' i Daniela (hebreo: דָּנִיֵּאל / Daniyyel) dia i Beltesazara (hebreo: בֵּ֣לְטְשַׁאצַּ֗ר / Belteshazzar). Ny anarana hebreo hoe Azaryah no nogasina ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy hoe Azariasa, araka ny fanakarana azy avy amin' ny teny latina (Azarias) sy teny grika (Αζαρίας / Azarias).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Lahatsoratra prôtôkanônika: Daniela 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12
- Ny Vavak' i Azariasa sy ny Tonon-kiran' ireo Zatovolahy telo ao anaty afo
- Tantaran' i Sozana (Daniela 13)
- I Bela sy ilay Dragona (Daniela 14)