Nostra Ætate

Avy amin'i Wikipedia

Ny Nostra aetate dia fanambaràna nataon' ny Kônsily Vatikana Faharoa momba ny fifandraisan' ny Eglizy Katôlika amin' ny fivavahana tsy kristiana (jodaisma, silamo, bodisma, hindoisma ary fivavahana hafa). Nandritra ny fotoam-pivoriana fahatelon' ilay kônsily dia nankatoavina voalohany tamin' ny vato 2 221 manohitra ny 88 izany. Avy eo, na dia eo aza ny vitsy anisa 12 % izay nanohy naneho ny tsy fitovian-kevitra dia navoakan' ny papa Paoly VI avy hatrany izany, tamin' ny 28 Ôktôbra 1965. Ny hoe "Nostra aetate" no andian-teny voalohany ao amin' ny rijanteny latina, izay midika hoe "Amin' ny androntsika".

Ny Nostra aetate no fohy indrindra amin' ny tahirin-kevitry ny Vatikana II: io koa angamba no nanova zavatra indrindra raha ampitahaina amin' ny foto-pampianarana manan-kery hatramin' io fotoana io ao amin' ny Eglizy Katôlika. Izy no mpanorina ny fifampiresahan' ny Katôlika ankehitriny eo amin' ny samy fivavahana, izay manavao ny fifandraisan' ny Fiangonana amin' ny fivavahana hafa tsy kristiana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]