Nikômedia

Avy amin'i Wikipedia
Sisam-paharavan' ny fantsona lakandranon' i Nikômedia ao İzmit

I Nikômedia dia tanàna grika tranainy tany Azia Minora, renivohitry ny fanjakan' i Bitinia. Any Torkia no misy azy ankehitriny ary antsoina hoe Izmit. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Νικομήδεια / Nikomedeia.

Namono tena tany i Hanibala tamin' ny taona 183 tal. J.K. Teraka tany amin' ny taona 90 taor. J.K. tany ho any ny mpahay tantara atao hoe Arrian. Tamin' ny taona 286 i Nikômedia dia lasa renivohitra atsinanana sy zokiny indrindra tao amin' ny Empira Rômana (nofidin' ny emperora Diôkletiano izay nanjaka tany atsinanana), sata izay notazonin' ilay tanàna nandritra ny rafitra nisy Tetrarkia (taona 293–324).

Nifarana tamin' ny ady tao Krisôpôlisy (Üsküdar) ilay Tetrarkia tamin’ ny tana 324, rehefa nandresy an’ i Likinio i Kônstantino ary lasa mpanjaka tokana. Tamin' ny tana 330 i Kônstantino dia nifidy ho azy i Bizantioma teo akaiky teo (izay nantsoina hoe Kônstantinôpôlisy, Istanbul ankehitriny) ho renivohitra vaovaon' ny Empira Rômana.

Nampidirina tao amin' ny Empira Ôtômana ilay tanàna tamin' ny fandresen' ny soltana Orhan Gazi ny Empira Bizantina. Ny Bizantina dia nandresy ka naka azy indray taorian' ny ady tao Ankara, nefa lasan' ny ny Ôtômana tanteraka izy tamin' ny taona 1419.