Nôriko

Avy amin'i Wikipedia
I Nôroko tao amin' ny Empira Rômana, taona 120.

I Nôriko dia fanjakana seltika izay niorina tamin' ny taonjato faha-2 tal. JK. Ny vahoaka Nôrika dia nanangana kônfederasiôna niaraka tamin' ny vahoaka Taoriska (samy nonina tao Nôriko) mpifanolo-bodirindrina aminy. Atao hoe Noricum izy amin' ny teny latina.

Lasa faritanin’ ny Empira Rômana i Nôriko tatỳ aoriana. Mamaritra azy ao avaratra ny ony Danube, ao andrefana i Retia, ao atsinanana i Panônia, ary ao atsimo i Dalmatia. Izy io dia mifanitsy sy mhafaoka an' i Stiria, i Karintia, ny faritr' i Salzburg, ny ampahany be amin' i Aotrisy Ambany sy i Aotrisy Ambony, ny tapany farany atsinanana amin' i Bavaria ary ny ampahany amin' i Slôvenia.