Mônarkianisma

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Monarkianisma)

Ny mônarkianisma na mônarsianisma dia vondrom-pampianaram-pinoana kristiana niseho tamin' ny taonjato faha-2 sy faha-3 izay mifanohitra amin' ny fampianarana ny amin' ny Trinite. Ireo fampianarana ireo dia manantitra ny maha tokana an' Andriamanitra (mônôteisma) ao amin' ny fivavahana kristiana. Amin' ny mpanaraka ity fampianarana ity dia tsy zanak' Andriamanitra sady samy hafa amin' ny Ray i Kristy.

Nizara roa ny Mônarkiana, dia ny Adôptianista sy ny Môdalista: ny Adôptianista dia mihevitra fa tsy manam-piaviana araka an' Andriamanitra i Jesoa fa olona ihany nefa natsangan' Andriamanitra ho zanany tamin' ny nanaovana batisa (na batemy) azy. Ny Môdalista kosa dia mihevitra fa mety ho samy fomba fisehoan' ny Ray i Jesoa satria tsy misy persôna maro ao amin' Andriamanitra. Sampan' ny môdalisma ny patripasianisma sy ny sabelianisma.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]