Mary (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy mary an-kavoana manao fanamiana mitovy

Ny Mary, izay antsoina koa hoe Tseremisy, dia vahoaka miteny finô-ogriana. Atao hoe мари / mari izy ireo amin' ny fiteniny, fa марийцы / mariytsi na черемисы / tseremisi kosa amin' ny teny rosiana. Mizara ho vondrona roa miavaka izy ireo. Any andrefana, manaraka ny lohasaha ambony an' ny ony Volga dia vitsy anisa ny "Mary an-tendrombohitra" (na "an-kavoana"), izay niova finoana ho amin' ny kristianisma hatry ny ela sady ny miteny mary (fiteny izay lasa an' ny vitsy anisa raha oharina amin' ny fiteny rosiana). Ao koa ny "Mary an-tany lemaka" (na "an-tsahalava"), maro anisa any atsinanana, izay manohy ny fivavahan' izy ireo tany am-boalohany, dia ny marla (nohoverina tany aloha hoe paganisma) ary miteny mary ihany koa. Resin' i Rosia izy ireo tamin' ny andron' ny tsar Ivan Grozny.