Ptôlemaiôsy VIII

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy VIII)
Vola misy ny sarin' i Ptôlemaiôsy VIII

I Ptôlemaiôsy VIII na Ptôlemaiôsy VIII Evergetesy II Trifôna na Ptôlemaiôsy Fiskôna dia mpanjakan' i Egipta tao amin' ny dinastia lagida. Niara-nanjaka tamin' i Ptôlemaiôsy VI Filômetôra izy teo anelanelan' ny taona 170 sy 163 tal. J.K., avy eo lasa mpanjakan' i Kirenaika tamin' ny taona 163 hatramin' ny taona 145 tal. J.K., avy eo indray lasa mpanjakan' i Egipta tamin' ny taona 145 hatramin' ny 116 tal. J.K. Napetrak' ireo Aleksandrina teo amin' ny fitondrana izy tamin' ny taona 170 rehefa nogadrain' i Antiôkôsy IV Epifanesy (mpanjaka seleokida) i Ptôlemaiôsy VI rahalahiny. Araka ny mpahay tantara sasany dia izy no Ptolemaoisy nitondra ny laharana faha-VII ary ny zana-drahalahiny nitondra ny laharana faha-VIII.

Zanak' i Ptôlemaiôsy V Epifanesy tamin' i Kleôpatra I Sira izy. Tsy fantatra ny fotoana nahaterahany, mety tamin' ny 186 na 184 na 183 tal. J.K. izany. Amin' ny teny grika dia tao hoe Πτολεμαῖος Εὐεργέτης Τρύφων / Ptolemaĩos Euergétēs Tryphon na Πτολεμαῖος Φύσκων / Ptolemaĩos Phuskon izy, ka ny hoe Εὐεργέτης Τρύφων dia midika hoe "Mpanao soa Mamiratra" ary ny hoe Phuskon dia anaram-bosotra midika hoe "Be kibo" na "Matavy", noho izy matavy be.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]