Fiendrika sy fitodika: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa soratra tsy ilaina
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
Ny [[fiendrika]] na [[Fiendrika|fitodika]] dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny [[sokajin-teny]] sasany, indrindra ny [[matoanteny]] (atao entimilaza), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ny [[fiteny]] maro dia ny fiendrika mpanao sy ny fiendrika iharana. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fiendrika mpamari-toe-javatra. Arakaraka ny [[mpahay teny]] no anavahana na tsia ny atao hoe ''fitodika'' sy ''fiendrika''.
Ny [[fiendrika]] na [[Fiendrika|fitodika]] dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny [[sokajin-teny]] sasany, indrindra ny [[matoanteny]] (atao entimilaza), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ny [[fiteny]] maro dia ny fiendrika mpanao sy ny fiendrika iharana. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fiendrika na fitodika mpamari-toe-javatra. Arakaraka ny [[mpahay teny]] no anavahana na tsia ny atao hoe ''fitodika'' sy ''fiendrika''.


== Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ==
== Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ==

=== Fitodika araka ny fitsipitenin'ny Eoropeana ===
Telo ny fitodika fantatra araka ny fitsipiteny nolovana tamin'ny Eoropeana, ka ireto avy izany:

* Fitodika mpanao: ''Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy''. ''Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra''.
* Fitodika iharana: ''Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo''. ''Aketsa ny vary''. ''Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.
* Fitodika mpamari-toe-javatra: ''Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.


=== Fitodika araka an'i Siméon Rajaona ===
=== Fitodika araka an'i Siméon Rajaona ===
Andalana faha-38: Andalana faha-31:
Ny fiendrika dia mianina amin'ny endriky ny tsirinteny amin'ny matoanteny tsy ampifandraisina amin'ny fifandraisany amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fiendrika ireo:
Ny fiendrika dia mianina amin'ny endriky ny tsirinteny amin'ny matoanteny tsy ampifandraisina amin'ny fifandraisany amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fiendrika ireo:


*Fiendrika mañano: ''Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy''. ''Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra''.
*[[Fiendrika mañano]]
*Fiendrika anoina: ''Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo''. ''Aketsa ny vary''. ''Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.
*[[Fiendrika anoina]]
* Fiendrika añanovana
* Fiendrika añanovana: ''Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.


==== Fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ====
==== Fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ====

Endrik'io pejy io tamin'ny 5 Febroary 2019 à 05:42

Ny fiendrika na fitodika dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny sokajin-teny sasany, indrindra ny matoanteny (atao entimilaza), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny lazaina. Ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ny fiteny maro dia ny fiendrika mpanao sy ny fiendrika iharana. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fiendrika na fitodika mpamari-toe-javatra. Arakaraka ny mpahay teny no anavahana na tsia ny atao hoe fitodika sy fiendrika.

Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy

Fitodika araka an'i Siméon Rajaona

Araka ny mpahay teny malagasy Siméon Rajaona dia maro ny fitodika ao amin'ny fiteny malagasy, sady tsy ny matoanteny ihany no voakasika fa ny reniteny sasany toy ny anarana sy ny mpamari-toetra koa.

Fitodika mahakasika ny matoanteny

Ireto avy ny fitodika mahakasika ny matoanteny:

  • Fitodika mpanao: Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy.
  • Fitodika sehatra: Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra.
  • Fitodika iharana: Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo.
  • Fitodika atao: Aketsa ny vary.
  • Fitodika fitaovana: Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatra: Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fitodika mpampanao: Mampikapa hazo ny ankizy ny mpampianatra.
  • Fitodika mpifanao: Mifampikapa amin'ny antsy ny ankizy.

Fitodika tsy mahakasika ny matoanteny

  • Fitodika tsaraina: Tsemboka ilay mpangalatra.
  • Fitodika tompon-javatra: Fotsy volo izany lehilahy izany.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tsaraina: Nahatsemboka ilay mpangalatra ny fanenjehana azy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra: Ny fahasahiranana no nahafotsy volo izany lehilahy izany.

Fitodika sy fiendrika araka an-Rabenilaina

Ny fitodika sy ny fiendrika dia tsy mahakasika afa-tsy ny matoanteny. Ny hoe fitodika sy ny fiendrika dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin'ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny hevitry ny matoanteny.

Fiendrika ao amin'ny fiteny malagasy

Ny fiendrika dia mianina amin'ny endriky ny tsirinteny amin'ny matoanteny tsy ampifandraisina amin'ny fifandraisany amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fiendrika ireo:

  • Fiendrika mañano: Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy. Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra.
  • Fiendrika anoina: Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo. Aketsa ny vary. Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fiendrika añanovana: Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.

Fitodika ao amin'ny fiteny malagasy

Ny fitodika dia miankina amin'ny hevitry ny matoanteny mifandray amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fitodika ireo izay misokajy roa:

1. Fitodika fototra

  • Fitodika mihatra
  • Fitodika tsy mihatra
  • Fitodika mamoatra
  • Fitodika mitoina

2. Fitodika sampana

  • Fitodika toejavatra
  • Fitodika zoina (iharana, fitaovana, tanty, tolorana, toerana, alalana).

Fiendrika ao amin'ireo fiteny eoropeana

Roa na telo ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ireo fiteny eoropeana: ny fiedrika mpañano sy ny fiendrika anoina. Manampy azy ireo ny fiendrika mpisolo na ny fiendrika anelanelany.

Jereo koa: