Amôna (fanjakana): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Amona (fanjakana) ho Amôna (fanjakana) i Thelezifor
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 19 Janoary 2021 à 08:52

Sarintanin'ny Atsinanana Akaiky tamin'ny taonjato faha-9. Miloko volomboasary ny Fanjakan'i Amona.

I Amona dia fanjakana na firenena tamin'ny Andro Taloha tao Atsinanana Akaiky teo anelanelan'ny tany efitr'i Siria sy ny ony Jordana. Ny vahoak'i Amona dia atao hoe Amonita. Araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 19.38) dia taranak'i Bena Amy zanak'i Lota no sady havana akaikin'ny Moabita.

Tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K. hatramin'ny taonjato faha-6 tal J.K. dia nandroso ny sivilizasionan'ny Amonita. Ny tananan'i Rabata Amona no renivohitry ny Moabita. Ny Israelita sy ny Amonita dia niady matetika. Tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-10 tal. J.K., araka ny Boky faharoan'i Samoela (2Sam. 12.26-31), dia resin'ny mpanjaka Davida ka nandevoziny ny Amonita.

Tamin'ny taona 721 tal. J.K. taorian'ny faharavan'ny Fanjakan'i Israely dia nanorim-ponenana tao amin'ny atsinanan'ny ony Jordana ny Amonita. Ny Fanjakan'i Amona mahaleotena dia rava teo antenantenan'ny taonjato faha-6 tal. J.K. Taty aoriana dia nifangaro tao amin'ireo foko arabo ny Amonita.

Jereo koa: