Manga (maniry)
Ny manga dia zavamaniry, hazo fihinam-boa volena maro any amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany mba hahazoana voany maro rantsana, misy voany be nofony. Ao amin' ny fianakaviana Anacardiaceae ity zavamaniry ity. Ny anarany ara-tsiansa dia Mangifera indica L.
Hazo mety hahatratra haavo 25 hatramin' ny 40 m ny manga. Mety hahatratra 10 m hatramin' ny 20 m eo ho eo ny savaivo azony alofana. Mety hahatratra 300 taona ny manga ary mbola mety hamokatra foana izy amin' izany taonany izany. Mety hidina 6 m any amban' ny tany ny fakan' ny manga. Maitso ny lokon' ny raviny izay manana halava 15 hatramin' ny 35 sm, sy ambainy 6 hatramin' ny 16 sm.

Hazo avy any amin' ny faritra atsinana any India sy avy any Birmania ny manga. Nampidirin' ny Arabo taty Afrika ary nampidirin' ny Pôrtogey tao Brezily ny manga tamin' ny taonjato faha-16. Volena betsaka any amin' ny firenena manana toetanin-jana-pehin-tany ny manga nanomboka tamin' ny taonjato faha-17, indrindra taty Afrika, tao La Réunion, tao Maorisy, tao Seisely, tany Antilia ary tany Brezily.