Aller au contenu

Malesa

Avy amin'i Wikipedia

Ny malesa dia dihy nentim-paharazana tsimihety, any amin' ny Faritra Sofia, tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara, izay fanao amin' ny tsaboraha isankarazany. Rehefa mandihy dia miaraka ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifampitan-tanana sy samy misikina lambahoany, ka ny vehivavy no eo aloha. Ahetsika mirindra miankavia sy miankavanana ny tànana sy ny tongotra. Ny hazolahy (amponga) sy ny angorodao no zavamaneno ampiasaina amin' ny mozikan' ny malesa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]