Mônarsia

Avy amin'i Wikipedia

Ny mônarsia na fitondrà-mpanjaka dia endri-pitondrana ara-pôlitika izay ahitana olona iray, ny mônarka, tsy voatery ho mpanjaka, izay lohan' ny fanjakana mandritra ny androm-piainany na mandra-pametrahany fialana. Mety hifandovana ny mônarsia na azo amin' ny alalan' ny fifidianana (toa ny mpanjaka gaoloà, ny dey tao amin' ny fanjakan i Alzeria na ny doxe tao amin' ny Repoblikan' i Venezia). Ny maha ara-dalàna ara-pôlitika sy ny fahefan' ny mpanjaka dia mety miova eo amin' ny fahefana voafetra sy ara-pamantarana (mpanjaka araka ny lalàm-panorenana), hatramin' ny aotôkrasia tanteraka (fanjakà-mpanjaka tsy refesi-mandidy), ary afaka misandrahaka amin' ny sehatra mpanatanteraka sy mpanao lalàna ary mpitsara.

Ny mônarka dia afaka mitondra anaram-boninahitra isan-karazany toy ny hoe emperora na mpanjaka na mpanjakavavy. Ny mônarsia maromaro dia afaka manangana federasiôna na fikambanana manokana na fari-panjakana iarahana, manana mpanjaka madinika manompo amin' ny alalan' ny fiarahana manokana amin' ny mônarka, izay antony mahazatra mahatonga ny mônarka hitondra anaram-boninahitra maromaro.

Ny mônarsia no endri-pitondram-panjakana mahazatra indrindra hatramin' ny taonjato faha-20, fotoana izay nanoloan' ny repoblika ny mônarsia maro. Ankehitriny dia firenena telo amby efapolo eto amin' izao tontolo izao no manana mônarka, anisan' izany ny fanjakà-mpanjaka dimy ambin' ny folo ao amin' ny Commonwealth izay manao ny mpanjaka Charles III ho lehibem-panjakana. Ankoatra izany dia misy karazana sampan-draharaha tsy mahenika firenena mifamatotra amin' ny mônarsia. Ny ankamaroan' ny mônarsia môderina dia mirona ho mônarsia fehezin' ny lalàmpanorenana, mitazona andraikitra momba ny lalàna sy ny fombafomba manokana ho an' ny mônarka, mampiasa fahefana ara-pôlitika voafetra na tsy misy, mitovy amin' ny filoham-panjakana ao amin' ny repoblikan' Antenimiera.