Lazara avy any Betania

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Ny fananganana an'i Lazarosy tamin'ny maty, sary nataon'i Duccio di Buoninsegna.

I Lazara na Lazarosy dia olona nifanerasera tamin'i Jesoa, izay tantaraina ao amin'ny Testamenta Vaovao, araka ny Evanjelin'i Joany (Joa. 11), fa maty nandritra ny efatra andro sady efa nalevina tany am-pasana, ka novohana dia nitsangan-ko velona araka ny baikon'i Jesoa.

Araka ny Evanjelin'i Joany dia sakaizan'i Jesoa i Lazarosy, sady anadahin'i Marta sy i Maria avy any Betania. Nonina tao Betania, izay tanàna kely niorina teo amin'ny ilany atsinan'ny Tendrombohitra Analanoliva, izy ireo. Araka ny Evanjelin'i Joany ihany (Joa 12.10), taorian'ny nananganana azy tamin'ny maty dia nikasa ny hamono azy indray ny mpisoron-dehibe.

Ny anarany dia avy amin'ny anarana arameana sy hebreo hoe אלעזר / Elʿāzār ("nanampy Andriamanitra). Io anarana io ihany koa no gasina hoe Eleazara.

Fitsanganan'i Lazarosy tamin'ny maty avy ao am-pasany